Vous consultez actuellement Dématérialisation domaine Anosy

Dématérialisation domaine Anosy

Ilazàna ny mpampiasa ny sampan-draharahan’ny fananan-tany eto Antananarivo Renivohitra fa noho ny famitana amin’ny ampahany ny tetikasa « Dématérialisation », dia hisy fanelingelenana ny fanatanterahana ny ankamaroan’ny asa adavanadro, manomboka ny 26 mey 2025 hatramin’ny 30 jiona 2025, araka izao lamina izao :

  • Tsy misy ny fandraisana sy fanarahana « dossier », afa-tsy ireo mahakasika ady eny amin’ny fitsarana;
  • 20 andro ny fé-potoam-pamitana ireo fangatahana CISJ sy CRI.

Izany no atao mba ahafahana manatsara ny kalitaon’ny asa sy manome fahafam-po ny rehetra.

Mankasitraka indrindra amin’ny faharetana.