Ampahafantarina amin’ny fomba ofisialy ny mpanjifa sy ny olom-pirenena rehetra fa:
Maimaim-poana tanteraka ny fanomezana ireo antontan-taratasy rehetra takiana eny anivon’ny Sampandraharaham-panjakana misahana ny Fananantany sy ny Fandrefesantany. mikasika ny « Boky Rovitra » sy « Plan Rovitra », araka ny Lalana laharana faha 2021-018 tamin’ny 27 Jolay 2021 momba ny famerenana an-tanana ny antontan-taratasy ara-panjakana sy topografika, sy ny Didim-panjakana laharana faha 2023-884 tamin’ny 18 Jolay 2023, mamaritra ny fomba fampiharana izany.
Ireo taratasy voakasika amin’izany fanomezana maimaim-poana izany dia ahitana ny :
- Taratasy fanamarinana maha-tompony amin’ny bokin’ny fananantany (Certificat de situation juridique)
- Dika mitovy amin’ny saritany na saritany feno voatahiry ao amin’ny arisivan’ny fandrefesan-tany (plan titra, plan kadasitra, plan de reperage ary plan PLOF na Plan Local d’Occupation Foncière);
- Fanamarinana momba ny Boky Rovitra na Plan Rovitra, P.V. nanehoana ny be sy ny maro ny fangatahana nentina napetraka teo anivon’ny fitsarana, sy ireo taratasy hafa ilaina amin’ny famerenana ireo antontan-taratasy very na simba.
Ireo taratasy rehetra voalaza etsy ambony izay tsy andoavam-bola, dia ho an’ireo manan-draharaha mahakasika ny Boky Rovitra eo anivon’ny’ny Fitsarana ihany.
