Vous consultez actuellement Tsy manan-jo handova na hamaritra tany eto intsony ireo vahiny

Tsy manan-jo handova na hamaritra tany eto intsony ireo vahiny

Averina amin’ny fanjakana Malagasy daholo ireo tany rehetra voamarina fa nobodoin’ny mpanjanaka. Rehefa tafaverina amin’ny fanjakana izany dia hozaraina ho an’ny Malagasy. « Manomboka izao dia tsy manan-jo handova tany eto Madagasikara ireo teratany vahiny ary foana miaraka amin’izay ihany koa ny fahafahan’izy ireo mamaritra tany ». Izay no nambaran’ny Minisitry ny Fananantany sy ny fanajariana ny tany ireo nandritra ny fikaonandoha momba ny fananantany, izay notanterahina teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny roa andro.

Fikaonandoha noentina nihainoana an’ireo karazana hetaheta mifandraika amin’ny fananantany. Nambaran’ny Minisitra fa matoa mbola betsaka ny raharahana ady tany dia mbola misedra olana amin’izay resaka fananantany izay ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny hamaha ireo olana rehetra mifandraika amin’izay no isany ny tanjon’ity fikaonandoha ity mba hahafahan’ny Malagasy tena misitrika ny tany eto amin’ny tanindrazany.